<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>O, mamiratra fatratra ery FFPM672</title>
<lyrics>[V1]
 O, mamiratra fatratra erý
 Irony kintana tazana etý,
 Ka manainga ny foko hankao
 Amin-tranon'ny Raiko izao,
 Raiko ô, mba vohay
 Aho hiditra ao Aminao !
 Raiko ô, mba vohay
 Fa iriko ny honina ao !

[V2]
 Feno ota ny tany atý ;
 Tsy mba misy izany arý,
 Tena masina ireo mponina ao,
 Ka mifaly mijery anao.
 Raiko ô, mba vohay, ..sns.

[V3]
 O, fonenana mamiko re ;
 Fa Jesosy nirina elabe,
 Sady aina iainako izao,
 No miandry hndray ahy ao,
 Raiko ô, mba vohay, ..sns.

[V4]
 Mba tsilovy ny lalako izao,
 Ry Fanahy Mpitarika ô,
 Hahitako ny tranon'ny Ray
 Hovantaniko rahatrizay,
 Raiko ô, mba vohay, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>672</hymn_number>
<author>J.P.Webster</author>
</song>